Ny vahoakako rehetra dia miditra amin'ny Paradisa afa-tsy ireo izay nandà ihany
Choose an available translation of this Hadeeth
Hadeeth text
Tatitra azo avy tamin'i Abou Houraira (R.A) niteny i Mpaminany (S.A.W) : "Ny vahoakako rehetra dia miditra amin'ny Paradisa afa-tsy ireo izay nandà ihany". hoy ireo mpanara-diany hoe : O! Ry Irakan'Allah ! Iza no mandà? dia hoy izy namaly hoe : "Izay rehetra mankatò Ahy dia miditra amin'ny Paradisa; fa izay rehetra nitsipaka ahy kosa dia efa anisan'ireo nandà".
Explanation
Hoy ireo mpanaradia azy : Iza no tsy hanaiky, ry Irak'Allah?
Namaly Azy i Mpaminany (S.A.W) fa hoe : “Izay rehetra manaiky sy manaraka ary mankato ny Irakan’Allah dia izy ireo no hiditra any amin’ny Paradisa, fa izay rehetra nandà ka tsy manaiky ny lalàna dia izy ireo no ho voasakana tsy hiditra ao amin’ny Paradisa izany noho ny asa ratsiny.
Benefits
Ny fankatoavana an'ny Mpaminany (S.A.W) dia mampiditra ao amin'ny Paradisa, ary ny tsy fankatoavana azy dia mampiditra amin'ny Afobe.
Vaovao mahafaly ho an’ny Olona mpankatò amin’ity vahoaka ity, ary hiditra ao amin’ny Paradisa avokoa izy rehetra afa-tsy izay tsy mankatò an’Allah sy ny Irakan’Allah.
Ny fangoraham-pony Mpaminany (S.A.W) amin'ny vahoakany sy ny fahavonosany hitarika azy ireo.
Attribution
Categories
Share hadeeth
Sharing options · 0 Total shares

