Nanota ny mpanompo iray ka niteny hoe : Tompo ô, mamelà ny fahotako
Choose an available translation of this Hadeeth
Hadeeth text
Tatitra azo avy tamin'Abou Huraira (RA) Azo avy tamin'ny Mpaminany (S.A.W), araky ny notantarainy avy tamin'ny tompony manao hoe : "Nanota ny mpanompo iray ka niteny hoe : Tompo ô, mamelà ny fahotako; dia hoy ilay Avo Tsitoha hoe : Nanota ny mpanompoko, ary fantany fa manana tompo mamela ny heloka sy manasazy amin’ny ota izy, avy eo dia niverina nanota izy dia niteny hoe : Tompo ô, mamelà ny fahotako; dia hoy ilay Avo Tsitoha hoe : Nanota ny mpanompoko, ary fantany fa manana tompo mamela ny heloka sy manasazy amin’ny ota izy, avy eo dia niverina nanota izy dia niteny hoe : Tompo ô, mamelà ny fahotako; dia hoy ilay Avo Tsitoha hoe : Nanota ny mpanompoko, ary fantany fa manana tompo mamela ny heloka sy manasazy amin’ny ota izy, ataovy izay tianao atao fa efa navelako ny fahtoanao".
Explanation
Benefits
Ny Mpino an’i Tompo Allah ilay avo Tsitoha dia manantena ny famelan-keloka avy amin’ny Tompony, ary matahotra ny famaizana avy Aminy, ka dia mibebaka faingana Izy ka tsy manohy ny ota intsony.
Fepetra ahafahana mibebaka marina : mifady sy mamela ny Ota, manenina amin'izany ary manapa-kevitra ny tsy hiverina amin'ny Ota izany intsony. Raha ny fibebahana dia avy amin'ny tsy rariny amin'ny Olona amin'ny resaka vola, voninahitra, na fanahy, dia asiana fepetra faha-efatra, dia ny hoe : fialana amin' ny Zon’ny Olona manan-jo, na mamerina Aminy ny Zony.
Ny maha zava-dehibe ny fahalalana momba ny tompo Allah, izay mampahalala ny mpanompo hahafantatra momba ny finoany, ka hibebaka isaky ny manota, ka tsy kivy sy miavarolavo.
Attribution
Categories
Share hadeeth
Sharing options · 0 Total shares

