Ry Mpanompoko! Nataoko fady Ahy ny fanaovana ny tsy rariny, ary nataoko fady eo aminareo ihany koa, ka aoka tsy hifanao ny tsy rariny ianareo
Choose an available translation of this Hadeeth
Hadeeth text
Tatitra azo avy tamin'i Abou zarri (R.A) : Niteny i Mpaminany (S.W.A) araka ny fanambarana izay azony tamin'Allah ilay avo Tsitoha "Ry Mpanompoko! Nataoko fady Ahy ny fanaovana ny tsy rariny, ary nataoko fady eo aminareo ihany koa, ka aoka tsy hifanao ny tsy rariny ianareo. Ry Mpanompoko! Very avokoa aanareo afa-tsy izay nahitsiko, ka mangataha fahitsiana aty Amiko dia hanitsy Anareo Aho. Ry Mpanompoko! Noana avokoa aanareo afa-tsy izay nampihinaniko, ka mangataha sakafo Amiko dia hampihinana anareo Aho. Ry Mpanompoko ! Niboridana daholo anareo afa-tsy izay nampitafiako, ka mangataha fitafiana Amiko ianareo dia hohampitafiko. Ry Mpanompoko! Manao hadisoana andro aman'alina ianareo, ary Izaho dia mamela ny fahotana rehetra, ka mangataha famelan-keloka Amiko ianareo dia hamela Anareo Aho. Ry Mpanompoko! Ianareo dia tsy hahavita hanisy ratsy Ahy mihitsy ka hanimba Ahy, ary tsy hahavita hanao ssara Ahy ka hanasoa Ahy. Ry Mpanompoko! Raha toa ka ianareo rehetra, hatrany amboalohany ka hatramin'ny farany, Olombelona sy Djinny, samy nanana fo feno fahatahorana (an'Allah) mitovy amin'ny fon'Olona izay tena manam-pahatahorana eo aminareo, dia tsy mampitombo na inona na inona amin'ny fanjakako izany. Ry Mpanompoko! Raha ianareo rehetra, hatrany amboalohany ka hatramin'ny farany, Olombelona sy Djinny, samy nanana fo ratsy mitovy amin'ny fon'Olona ratsy indrindra eo aminareo, dia tsy mampihena na inona na inona amin'ny fanjakako izany. Ry Mpanompoko! Raha ianareo rehetra, hatrany amboalohany ka hatramin'ny farany, Olombelona sy Djinny, niara-nijoro amin'ny toerana iray, ary nangataka Amiko, dia samy nomeko an'izay nangatahiny ny tsirairay, dia tsy mampihena ny aty Amiko izany, fa toy ny fanjaitra navarina tao amin'ny ranomasina ka mitondra rano kely avy ao. Ry Mpanompoko! asanareo ihany io, angoniko ho anareo, dia omeko anareo feno ny valiny, ka izay nahazo vokatra tsara dia aoka hankasitraka an'Allah, fa izay nahazo ankoatra izany kosa dia aoka tsy hanome tsiny afa-tsy ny tenany ihany.
Explanation
Ary Allah dia mitahiry ireo asan'ny mpanompony ary manisa izany ho azy ireo, dia hamaly izany amin'ny andro fitsanganana amin'ny maty. Koa izay mahazo valisoa tsara amin'ny asany dia aoka hisaotra an'Allah noho ny fahombiazana sy ny fankatoavana Azy, ary izay mahazo valin-kasa ratsy, dia aoka tsy hanome tsiny afa-tsy ny tenany ihany izay nitarika Azy ho amin'ny fatiantoka.
Benefits
Tsy misy fahalalana na fitarihana azon’ny mpanompo, af-tsy amin’ny alàlan’ny fahitsina sy fampianarana avy amin’Allah izany.
Izay zava-tsoa azon’ny mpanompo dia avy amin’ny fahasoavan’Allah ilay avao Tsitoha, ary izay ratsy rehetra mahazo azy dia avy amin’ny tenany sy ny faniriany ihany izany.
Izay manao ny tsara dia avy amin’ny fitahian’Allah, ary ny valim-pitia azony dia fahasoavana avy amin’Allah, ka azy ny dera, ary izay manao ratsy kosa dia tsy misy tsiny afa-tsy ny tenany ihany.
Attribution
Categories
Share hadeeth
Sharing options · 0 Total shares

