HadeethEnc · 1.21.0
Raha omena ny olona izay nangatahany, dia hisy olona maro hitaky fananan'ny olona sy ny ra fandatsahan-drà azy ireo, fa ny porofo kosa takiana amin'izay milaza fa tompony, ary ny fianianana ho an'izay mandà
Available translations
Choose an available translation of this Hadeeth
01
Hadeeth text
Tatitra azo avy tamin'i Ibn Abbas (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Raha omena ny olona izay nangatahany, dia hisy olona maro hitaky fananan'ny olona sy ny ra fandatsahan-drà azy ireo, fa ny porofo kosa takiana amin'izay milaza fa tompony, ary ny fianianana ho an'izay mandà."
02
Explanation
Nanazava ny Mpaminany (S.A.W) fa raha omena rariny noho ny fitakiana fotsiny ny olona, tsy misy porofo na filazana mazava tsara, dia hisy olona hitaky fananan'ny olona sy famonoana azy, tsy izany anefa, fa ny mpitory dia tsy maintsy manolotra porofo mazava momba ny zavatra takiny, raha tsy manana porofo izy, dia atolotra ny voampanga ny fitakiana, ary raha mandà izany izy dia tsy maintsy mianiana ary afaka madiodio.
03
Benefits
Niteny i Ibn Daqiq al-Eid hoe : Ity hadith ity dia iray amin'ireo fototry ny didim-pitsarana, ary fototra lehibe indrindra iverenana amin'ny fotoanan'ny fifandirana sy ny fifamaliana.
Ny lalàna silamika dia tonga hiaro ny fanànan'olona sy ny ràny amin'ny fanodinkodinana.
Ny mpitsara dia tsy manapaka araka ny fahalalany, fa miverina amin'ny porofo.
Izay rehetra milaza fanambarana tsy misy porofo dia lavina, na mikasika ny zo izany na fifampiraharahana na ny momba ny finoana sy ny siansa.

Attribution
[رواه البيهقي]
Categories
Share
Share hadeeth
Sharing options · 0 Total shares