Aza atsahatra amin'ny fahatsiarovana an'I Allah ny lelanao
Choose an available translation of this Hadeeth
Hadeeth text
Tatitra azo avy tamin'i Abdollah bin Bosri (R.A) fa nisy lehilahy iray niteny hoe : Ô ry irak'Allah! Efa nihamaro sy mavesatra amiko ny lalàna islamika, ka lazao zavatra hataoko aho izay hifikirako mafy, dia hoy ny Mpaminany (S.A.W) : "Aza atsahatra amin'ny fahatsiarovana an'I Allah ny lelanao".
Explanation
Koa nitari-dàlana azy ny Mpaminany (S.A.W) mba hihazona ny lelany malefaka sy mihetsika amin'ny fahahatsiarovana matetika an’I Allah amin’ny fotoana sy ny toe-javatra rehetra. Toy ny fiderana, fisaorana, fitadiavana famelan-keloka, fitalahoana, sy ny hafa ankoatr'izany.
Benefits
Iray amin’ireo fahasoavana lehibe avy amin’I Allah ny fanamorana ny fomba hahazoana valisoa.
Samihafa ny olona amin'ny anjarany eo amin'ny lafiny fahamendrehena sy ny fahatsarana.
Ny fahatsiarovana an’I Allah matetika amin’ny lela, ny fiderana, ny fisaorana, ny fanokanana, ny fanomezam-boninahitra, sy ny sisa, miaraka amin’ny fo mirindra, dia maka ny toeran’ny asa fankatoavana an-tsitrapo maro.
Fitsinjovan'ny Mpaminany (S.A.W) ireo mpanontany azy tamin’ny famaliana ny tsirairay araka izay sahaza azy.
Attribution
Categories
Share hadeeth
Sharing options · 0 Total shares

