Asa dia miainga amin'ny finiavana, ary ny Olona tsirairay dia samy hahazo valisoan'ny fikasany
Choose an available translation of this Hadeeth
Hadeeth text
Tatitra azo avy tamin'i Oumar Ibn Al-Khattab (R.A) niteny : Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Mifototra amin'ny finiavana ny Asa rehetra, ary izay nokasainy ihany no valisoa ho azon'ny Olona iray. Koa na iza na iza nano fifindra-monina mankany amin'i Allah sy ny Irany, dia hahazo valisoan'ny fifindra-monina any amin'i Allah sy ny Irany, ary izay nanao fifindra-monina nohon'ny fiainana ety an-tany na vehivavy hovadiny, dia noho izany tokona no valisoa ho azony tamin'ilay fifindra-monina nataony”. Ary amin'ny fanambarana nataon'i Al-Bokhari : " Ny Asa dia miainga amin'ny finiavana, ary ny Olona tsirairay dia samy hahazo valisoan'ny fikasany".
Explanation
Avy eo, i Mpaminany (S.A.W) nanome Ohatra hanehoana ny fiantraikan’ny finiavana amin’ny asa, na dia asa mitovy atao amin'ny endrika ivelany aza, ka nanazava Izy fa na iza na iza nikasa ny hifindra monina ka nandao ny tanindrazany hitady izay hahafaly ny Tompony, ny fifindra-monina izay ataony dia ara-dalàna sy azo ekena ary hahazo valisoa amin’izany izy noho ny fahadiovam-po nisy teo aminy, ary na iza na iza nikasa ny fifindrany mba hahazo tombony amin’izao tontolo izao, toy ny vola na voninahitra, na varotra, na vady, dia tsy hahazo valisoa afa-tsy izay nokasainy ihany, ary tsy hanana anjara amin’ny valisoa na tombontsoa hafa intsony Izy.
Benefits
Ny asa izay mety hahatonga ny Olona iray hanakaiky kokoa an'i Allah ilay avo Tsitoha, raha manao izany ho fahazarana ny Olona iray dia tsy hahazoany valisoa izany, mandrampikasany izany ho an'Allah.
Attribution
Categories
Share hadeeth
Sharing options · 0 Total shares

