“Ny olona mahatsiaro ny Tompony sy ny tsy mahatsiaro ny Tompony dia ohatry ny velona sy ny maty
Choose an available translation of this Hadeeth
Hadeeth text
Tatitra azo avy tamin'i Abo Mossa (R.A) niteny : Niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Ny olona mahatsiaro ny Tompony sy ny tsy mahatsiaro ny Tompony dia ohatry ny velona sy ny maty" Amin'ny fitantaran'i Moslim dia miteny izy hoe : Ny trano nahatsiarovana an'I Allah sy ny trano tsy nahatsiarovana azy, dia tahaka ny velona sy ny maty”.
Explanation
Toy izany koa, ny trano iray dia lazaina ho velona raha mahatsiaro an’I Allah ny mponina ao aminy. Raha ny velona sy ny maty no ilazana ny trano dia ny mponina ao an-trano no tiana ho lazaina.
Benefits
Ny Zikr dia fiainan'ny fanahy, toy ny fiainan'ny vatana ny fanahy.
Anisan'ny sori-dàlan'ny Mpaminany (S.W.A) dia ny fametrahany ireo ohatra maro samy hafa mba hampifanakaiky sy hampazava kokoa ny dikanin-javatra.
Hoy i Al-Nawawi : Tafiditra ao anatin'izany ny fanolorana ny fahatsiarovana an'I Allah Tsitoha ao an-tokantrano, ary tsy tokony hatao tsinontsinona izany.
Hoy i Al-Nawawi : Izy io dia manondro fa ny fiainana lava amin'ny fankatoavana dia hatsarana, na dia mizotra mankany amin'ny tsara aza ny maty. Satria mifikitra aminy ny velona ka mampitombo azy amin’ny asa fankatoavana izay ataony.
Attribution
Categories
Share hadeeth
Sharing options · 0 Total shares

