aoka ianao hiankohoka betsaka amin'I Allah, satria tsy miankohoka eo amin'I Allah ianao amin'ny fiankohofana iray afa-tsy hoe ampiakarin'I Allah ny voninahitrao, ary hamafany ny fahotanao
Choose an available translation of this Hadeeth
Hadeeth text
Tatitra azo avy amin'i Maadan Ibn Abi Toalha Al-Yamari niteny izy : Nihaona tamin’i Thawban, mpanampin'ilay Irak'Allah (S.A.W) aho ka niteny taminy hoe: Lazao ahy ny asa iray ataoko izay hampidiran'i Allah ahy any amin'ny Paradisa? Na noteneniko koa hoe : Ny asa tena tian'i Allah indrindra, dia nangina izy avy eo nanontaniako indray dia nangina, ary nanontaniako faninteloy izy ka namaly hoe : Efa nanontaniako an'ny Mpaminany (S.A.W) izany dia namaly ahy izy hoe : aoka ianao hiankohoka betsaka amin'I Allah, satria tsy miankohoka eo amin'I Allah ianao amin'ny fiankohofana iray afa-tsy hoe ampiakarin'I Allah ny voninahitrao, ary hamafany ny fahotanao" Dia niteny i Maadan hoe : avy eo nifanena tamin'i Abo Dardaa aho ka nanontany azy dia namaly ahy mitovy amin'izay voalazan'i THaobani tamiko izy.
Explanation
Dia nolazain'ny Mpaminany (S.A.W) tamin'ilay mpanontany manao hoe : Mifikira amin'ny fiankohofana betsaka amin'ny vavaka, satria tsy miankoho amin'i Allah fiankohofana iray ianao afa-tsy ampiakarin'I Allah ny voninahitrao, ary ho fafany ny helokao.
Benefits
Fanambarana ny fahatakaran'ireo mpanara-dia sy ny fahalalan'izy ireo fa ny Paradisa dia azo - aorian'ny famindram-pon'I Allah - raha tsy amin'ny alalan'ny asa.
Ny fiankohofana amin'ny vavaka dia iray amin'ireo antony hampiakarana ny voninahitra, sy famafana ny fahotana.
Attribution
Categories
Share hadeeth
Sharing options · 0 Total shares

