Izay nanomana vatsy ho an'ny mpiady amin'ny làlan'I Allah dia efa niady, ary izay nisolo-toerana ny mpiady amin'ny làlan'I Allah tamin'ny tsara dia niady
Choose an available translation of this Hadeeth
Hadeeth text
Tatitra azo avy tamin'i Zaid Ibn Khalid (R.A) niteny ny Mpaminany (S.A.W) hoe : "Izay nanomana vatsy ho an'ny mpiady amin'ny làlan'I Allah dia efa niady, ary izay nisolo-toerana ny mpiady amin'ny làlan'I Allah tamin'ny tsara dia niady."
Explanation
Ary izay mitantana ny raharahan'ny mpiady amin'ny tsara, ary misolo-toerana azy eo amin'ny fikarakarana ny ankohonany mandritra ny fotoana tsy maha eo azy, dia sahala amin'ny mpiady no hitsarana azy.
Benefits
Hoy i Ibn Hajar : Ao amin'ity hadith ity dia misy famporisihana amin'ny fanasoavana ho an'ireo manatanteraka tombontsoa ho an'ny mpino silamo, na manatanteraka zavatra amin'ireo andraikiny.
Ny fitsipika ankapobeny : dia izay manampy olona amin’ny fankatoavana an’I Allah dia hahazo valisoa mitovy amin’ny valisoa azony, nefa tsy nesorina na kely aza tamin'ny valisoa azon'ilay mpanao.
Attribution
Categories
Share hadeeth
Sharing options · 0 Total shares

