HadeethEnc · 1.21.0
Hanaraka ireo fanaon'ny vahoaka teo alohanareo ianareo, ohatry ny refin'ny fela-tànana, na sandry
Available translations
Choose an available translation of this Hadeeth
01
Hadeeth text
Tatitra azo avy amin'i Abo Said Al-Khodria (R.A) : Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Hanaraka ireo fanaon'ny vahoaka teo alohanareo ianareo, ohatry ny refin'ny fela-tànana, na sandry, eny na dia niditra tao anaty lavaky ny biby aza ireo dia mbola narahinareo". Niteny izahay hoe : O ry Irak'i Allah, ireo jiosy sy ny kristiana ve izany? dia namaly izy hoe : "Fa iza ndray?".
02
Explanation
Mampahafantatra i Mpaminany (S.A.W) ny toe-piainan'ny vahoakany aorian'ny fotoana nisy azy, dia hanaraka ny fomba fanaon'ny Jiosy sy ny Kristiana amin'ny zavatra inoany, ny zavatra nataony, ny fomba amam-panaony ary ny fahazarany, izay fanarahana akaiky amin'ny santimetatra, toy ny halavan'ny sandry, eny na dia niditra tao amin'ny lavaky ny androngo aza izy ireo dia niditra ao aoriany ihany koa izy ireo.
03
Benefits
Iray amin'ireo fahalalan'ny faminaniana teo amin'ny Mpaminany (S.A.W) rehefa nanambara zavatra mialohan'ny hahatongavany ka tanteraka tokoa tahaky ny nambarany.
Fandrarana ny fitovizan'ireo mpino amin'ny tsy mpino, na amin'ny foto-pinoany na fahazarany na fetiny na koa fomba fitafy mampiavaka azy ireo.
Fanazavana ny zavatra tsy ara-tsaina amin'ny ohatra mivaingana dia isan'ireo fomba fampianarana ao amin'ny silamo.
Ny androngo : biby izay tena maizina ny lavany ary maimbo ny fofony, ary izy dia biby kely maro any amin'ny tany karankaina, ary nalaina manokana ny lavaky ny androngo : noho ny hakeliny sy fahatereny, nefa na dia eo aza izany dia mbola manaraka ny fanaony sy ny làlan'izy ireo, ka raha miditra amin'io lavaka tery dia narahin'izy ireo! tompo Allah anie manampy atsika.

Attribution
[Notantarain’i Bokhari sy Moslim]
Categories
Share
Share hadeeth
Sharing options · 0 Total shares