HadeethEnc · 1.21.0
Ny Mpaminany (S.A.W) dia saro-kenatra kokoa noho ny virijiny miafina ao antranony, fa rehefa misy zavatra tsy tiany, dia fantatray tamin'ny tarehiny izany
Available translations
Choose an available translation of this Hadeeth
01
Hadeeth text
Tatitra azo avy amin'i Abo Said Al-Khodri (R.A) niteny izy : Ny Mpaminany (S.A.W) dia saro-kenatra kokoa noho ny virijiny miafina ao antranony, fa rehefa misy zavatra tsy tiany, dia fantatray tamin'ny tarehiny izany.
02
Explanation
Mitantara i Abo Said Al-Khodri (R.A) fa ny Mpaminany (S.A.W) dia saro-kenatra mihoatra noho ny zazavavy virijiny tsy nanambady, tsy mifanerasera amin'ny lehilahy, izay miafina ao an-tranony, ary noho ny henatra mafy teo aminy, fa raha misy zavatra halany dia miova ny tarehiny fa tsy miteny izy, fa ireo mpiara-dia aminy no mahafantatra izany amin'ny alalan'ny tavany.
03
Benefits
Fanazavana momba ny Mpaminany (S.A.W) amin’ny lafiny henatra, ary izy io dia toetra lehibe.
Fahamenatran'ny Mpaminany (S.A.W) raha mbola tsy ny fahamasinan’I Allah no voahitsakitsaka. Fa raha voahitsakitsaka kosa ny fahamasinan'I Allah dia tezitra izy (S.A.W) ary mandidy sy mandrara ireo mpanara_diany.
Famporisihana mba hahay menatra; Satria izy io mitondra ny fanahy hanao ny tsara sy handao ny ratsy.

Attribution
[Notantarain’i Bokhari sy Moslim]
Categories
Share
Share hadeeth
Sharing options · 0 Total shares