HadeethEnc · 1.21.0
Izay mitam-piadiana hamely anay dia tsy namanay
Available translations
Choose an available translation of this Hadeeth
01
Hadeeth text
Tatitra azo avy amin'i Abou Mousa Al-Ash'ari (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Izay mitam-piadiana hamely anay dia tsy namanay."
02
Explanation
Mampitandrina ny Mpaminany (S.A.W) ny amin'ny fitondrana fitaovam-piadiana hanoherana ny mpino silamo, mba hampitahorana azy ireo na handroba azy ireo. Ka izay manao izany tsy ara-drariny dia nanao heloka bevava sy fahotana lehibe, ary mendrika izany fandrahonana mafy izany.
03
Benefits
Fampitandremana mafy ny mpino silamo ny hiady amin'ny silamo namany.
Anisan'ny faharatsina lehibe sy fanimbana lehibe eto ambonin'ny tany ny fandrangarangana fitaovam-piadiana amin'ny mpino silamo, ary fanimbana amin'ny alalan'ny famonoana.
Ny fandrahonana voalaza io dia tsy miresaka ny ady noho ny fahamarinana, toy ny ady amin'ny mpandika lalàna, mpanao ratsy, sy ny hafa tahaka azy ireo.
Voarara ny mampitahotra ny mpino silamo amin'ny fitaovam-piadiana na zavatra hafa - eny fa na dia amin'ny vazivazy aza.

Attribution
[Notantarain’i Bokhari sy Moslim]
Categories
Share
Share hadeeth
Sharing options · 0 Total shares