HadeethEnc · 1.21.0
Ny fasana no dingana voalohany amin'ny fiainana any ankoatra, ka raha voavonjy amin'izany ny olona iray dia mora kokoa noho izany ny manaraka, ary raha tsy afaka ao dia ho mafy kokoa noho izany ny manaraka
Available translations
Choose an available translation of this Hadeeth
01
Hadeeth text
Tatitra azo avy tamin'ny Hanì, mpanampin'i Othman (R.A) niteny : Isaky ny nitsangana teo amin'ny fasana i Othman, dia nitomany mandra-paha lena ny volombavany, ary nisy nilaza taminy hoe : Nolazaina momba ny Paradisa sy ny helo ianao tsy mitomany, koa amin'ity ve vao mitomany? Namaly izy hoe : Tena marina fa niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Ny fasana no dingana voalohany amin'ny fiainana any ankoatra, ka raha voavonjy amin'izany ny olona iray dia mora kokoa noho izany ny manaraka, ary raha tsy afaka ao dia ho mafy kokoa noho izany ny manaraka."
02
Explanation
Rehefa nitsangana teo amin’ny fasana ilay lehiben’ny mpino silamo, Othman bin Affan (R.A), dia nitomany izy mandra-pahalena ny volombavany, ary nisy nilaza taminy hoe : Notsiahivina taminao ny Paradisa sy ny Helo, dia tsy nitomany ho fitsiriritana ny Paradisa na fatahorana ny Afobe! Nefa dia mitomany ianao rehefa mahita ny fasana? Namaly izy hoe : Ny Mpaminany (S.A.W) nilaza fa ny fasana no dingana voalohany amin’ny fiainana any akoatra, ka raha voavonjy sy avotra amin’izany izy, dia mora kokoa noho izany ny dingana manaraka, ary raha tsy voavonjy amin'ny saziny, dia hahazo famaizana mafy kokoa noho ny izany.
03
Benefits
Fanazavana ny fahatahorana an’Allah Tsitoha izay nananan’i Othman (R.A) na dia anisan’ireo nampanantenaina hiditra ny Paradisa aza ny tenany.
Azo atao ny mitomany rehefa mahatsiaro ny horohoron’ny fasana sy ny fitsanganana amin’ny maty.
Porofon’ny fahasambarana sy ny fampijaliana ao ampasana.
Fandrahonana ny fampijalian'ny fasana.
Azo atao ny mitomany rehefa mahatsiaro ny horohoron’ny fasana sy ny fitsanganana amin’ny maty.
Porofon’ny fahasambarana sy ny fampijaliana ao ampasana.
Fandrahonana ny fampijalian'ny fasana.
Attribution
[Notantarain'i al-Tirmizì sy Ibn Màjah]
Categories
Share
Share hadeeth
Sharing options · 0 Total shares

