Ireo dia olona izay, rehefa maty eo amin’izy ireo ny mpanompo mendrika na olo-marina, dia anorenan'izy ireo moske
Choose an available translation of this Hadeeth
Hadeeth text
Tatitra azo avy tamin'i Aicha Renin'ireo mpino (R.A) niteny : Nitantara tamin'ny irak'Allah i Ommou Salama momba ny fiangonana hitany tany amin'ny tanin'i Abyssinia, antsoina hoe Maria, ka nolazainy taminy ny zavatra hitany tao momba ny sary vongana. Dia niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Ireo dia olona izay, rehefa maty eo amin’izy ireo ny mpanompo mendrika na olo-marina, dia anorenan'izy ireo moske eo ambonin’ny fasany, ary anamboaran'izy ireo sary eo aminy, ireo no zavaboary ratsy indrindra eo imason’I Allah”.
Explanation
iray mendrika maty eo amin'izy ireo, dia hanorenan'izy ireo moske eo ambonin'ny fasany, hivavahana ary hanamboaran'izy ireny sary ireny. Nohazavainy fa izay manao izany dia zavaboary ratsy indrindra eo imason’I Allah ilay Tsitoha. Satria ny fihetsika izany dia mitarika ho amin’ny fanompoan-tsampy.
Benefits
Ny fananganana moske eo ambonin'ny fasana sy ny fametrahana sary ao anatiny dia asan'ny Jiosy sy ny Kristianina, ary izay manao izany dia mitovy amin'izy ireo.
Fandrarana ny fanaovana sary ireo zava-mananaina.
Na iza na iza manorina moske eo ambonin’ny fasana sy mametraka sary ao anatiny, dia tafiditra ho isan’ny zavaboarin’i Allah ratsy indrindra.
Ny lalàna silamika dia miaro tanteraka ny làlana mankany amin'ny fanokanana an'I Allah, amin'ny fanakanana ny fomba rehetra mety hitarika ho amin'ny fanompoan-tsampy.
Mandrara ny fihoaram-pefy amin'ireo olona mendrika; Satria izany no antony mety hampienjera any amin'ny fanompoan-tsampy.
Attribution
Categories
Share hadeeth
Sharing options · 0 Total shares

