Rehefa tonga ny Ramadany, dia misokatra ny vavahadin'ny Paradisa, mihidy ny vavahadin'ny helo, ary mifatotra ny devoly
Choose an available translation of this Hadeeth
Hadeeth text
Tatitra azo avy tamin'i Abo Horaira (R.A) niteny i Mpaminany (S.A.W) : "Rehefa tonga ny Ramadany, dia misokatra ny vavahadin'ny Paradisa, mihidy ny vavahadin'ny helo, ary mifatotra ny devoly."
Explanation
Benefits
Vaovao mahafaly ho an'izay mifady hanina fa vanim-potoanan'ny fanompoana sy fahatsarana ity volana feno fahasoavana ity.
Ao amin'ny famatorana ny devoly amin'ny Ramadany dia manondro ny fanesorana ny fialan-tsiny amin'ny olona manana adidy, toy ny lazaina aminy hoe : Ny devoly dia voasakana tsy ho eo aminareo, koa aza atao fialan-tsiny amin'ny fialana amin'ny fankatoavana na ny amin'ny asa tsy fankatoavana izany.
Hoy i Al-Qortobi : Raha lazaina hoe : Ahoana no ahitantsika ny faharatsiana sy ny fandikan-dalàna mitranga matetika amin'ny Ramadany raha voafatotra ny devoly dia tsy hitranga izany? Ny valiny : Ahena ihany izany ho an’ireo izay mifady hanina, izay nifady hanina izay nitandremana ny fepetra sy nitandrina ny fitsipi-pitondran_tena, na izay namatotra ny devoly sasany nivadi-pinoana, fa tsy izy rehetra, araka ny voalazan’ny sasany amin'ny fitantarana, na izay nokasaina dia ny hampihenana ny faharatsiana ao, ary izany dia zavatra azo tsapain-tànana, ka ny fisehoan’izany ao aminy dia kely noho ny amin’ny hafa, satria tsy ilaina amin’ny fatorana azy rehetra, tsy misy ratsy na tsy fankatoavana mitranga; Satria misy antony hafa ankoatra ny demonia, toy ny fanahy ratsy, ny fahazaran-dratsy, ary ny demonia olombelona.
Attribution
Categories
Share hadeeth
Sharing options · 0 Total shares

